Madagasikara sy Italie : Miara-miasa mampiroborobo ny kolontsaina sy sarimihetsika

Nifarana omaly ny fitsidihana ofisialy nataon’ny delegasiona malagasy an’i Bologne Italia. Maro ny dinika natao ka anisan’izany ny kolontsaina sy ny sarimihetsika.

Teboka lehibe notson­gaina nandritra ny fihaonana tany Italia ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Ma­dagasikara sy i Italia, ho fampiroboroboana ny kolon­tsaina sy ny sarimihetsika. Nitarika ny iraka natao tany an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, izay nanamafy ny vina ho fampifandraisana ny fiarovana ny vakoka amin’ny fanabeazana, ny famoronana ary ny fampandrosoana ny sinema. Omeny lanja amin’izany ny fifampiresahana amin’ny matihanina, ny fanamafisana ny fahaiza-manao eto an-toerana ary ny fananganana fiaraha-miasa misy tanjona sy din­gana mazava. Tanjona amin’ izany ny hahazoan’ny vahoaka tombontsoa mivaingana.

Nifantoka tamin’ny fitahi­rizana, ny famadihana ho niomerika, ny fanarenana ny horonantsary, ny fampitao­vana ary ny fanofanana ireo Malagasy matihanina ny fifanakalozana tamin’ny Cineteca Di Bologna sy ny laboratoara «L’Immagine Ritrovata», izay nanome ny fanasana ho an’i Madagasikara, tamin’ity fitsi­dihana ity. Anisan’ny tanjona koa ny hanamafy fiaraha-miasa maharitra ho fiarovana ny vakoka ara-tsarimihetsika sy ny tahirin-tsary ary feo mala­gasy.

Mifamatotra amin’ ny tetikasa fiarovana sy fanome­zana lanja indray ny tahiry ao amin’ny Auditorium Andro­hibe izany. Noresahina ihany koa ny hametrahana fifanarahana fiaraha-mamokatra sarimihe­tsika na «Accord de copro­duction» hampiroboroboana ny famokarana sy ha­na­ma­fisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Italia.

Mi.Raz

Partager sur: