Hotanterahina anio, etsy amin’ny Kianja Ankoay Ankorondrano, ny andiany faharoa amin’ny Invictador, taranja Jiu-jitsu Brésilien. Hetsika karakarain’ny klioba Checkmat Madagascar. Araka ny nambaran-dRandriamifidimanana Laza, filoha sady mpikarakara ny hetsika, hanomanana ireo atleta hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Abu Dhabi, manomboka ny 5 novambra ho avy izao, izy ity. Nomarihiny fa ezahina ho atao isan-taona ny Invictador. Tanjona ny hanosika ny tanora hisehatra lalindalina kokoa amin’ity taranja ity izay hita fa manomboka mampisongadina ny Malagasy. Klioba maro eto an-drenivohitra no handray anjara amin’izany ka hisy ireo mpifaninana hanao valinady ao anatin’ireo sokajy hifaninanana sy ny fehikibo voamarina sy nahazo fankatoavana. Hifangaro ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, satria ho avy hanafana ny hetsika ny tarika Reko Band.
Mahakasika ny fandraisana anjara amin’ny ho tompondaka maneran-tany indray, mahatratra 20 mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hizarazara amin’ny sokajy samihafa izy ireo. “Mahavelombolo ny vokatra satria tsy mitsahatra ny miakatra hatrany izany”, hoy hatrany i Laza. Manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo mba hanampy ireo atleta. Manohana ny hetsika ny TCM sy ny sekoly Paul Minault Androhibe ary ny Mangues sechées, izay hanolotra ny loka ho an’ny mpandresy.
Tompondaka





