Taorian’ny fifampidinihana, nanapa-kevitra ny Komity mpanatanteraka eo anivon’ny Federation sport-automobile malagasy (FSAM) fa hotanterahina any Moramanga ny dingana fahadimy amin’ny Rallye. Mamarana ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ihany koa izany. Tapaka àry fa hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 15 novambra ho avy izao izany. Mpikarakara ity fifaninanana farany ity ny Federasiona malagasy. Andrasana, araka izany, ny lalana hizoran’ny fifaninanana sy ny isan’ny dingana manokana “ES” amin’ity. Hanana ny lanjany tanteraka ity Rallye any Moramanga ity satria hamaritra izay ho tompondaka ho an’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Tsiahivina fa tokony ho notanterahina ny 23 ka hatramin’ny 25 oktobra lasa teo ity dingana farany ity, saingy tsy tanteraka ka izao hafindra any Moramanga izao. Tsy vaovao amin’ny fampiantranoana hazakazaka fiarakodia akory ny faritra Alaotra Mangoro fa efa nandray izany ny taona 2018. Ankoatra izay, fantatra fa hanana lanjan’isa 2 ity Rallye hatao any Moramanga ity.
Tompondaka





