Fakiolten’ny EGS-Orange: Hotohanana mandritra ny 12 volana ny tetikasa 4 nisongadina

Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foiben’ny Orange Digital Center Soarano, ny valin’ny fifaninanana Boot Camp Impact Sprint iarahan’ny orinasa Orange Madagascar sy ny Fakiolten’ny EGS, oniversiten’Antananarivo.

Niofana sy nomena tan­tsoroka izy ireo mialoha ny famolavolana teti­kasa, tao anatin’ny roa andro, amin’ny sokajy roa dia ny entrepreneuriat durable sy ny développement communautaire. Niatrika ny mpitsara sy nizara ny votoatin’ny tetika­sany avy ny vondrona 15 nandray anjara. Mpianatra telo avy ao amin’ny toekarena, fitantanana ary sosiolojia no mandrafitra ny ekipa iray. Avy amin’ny L3 hatramin’ny M2 izy ireo, araka ny fanazavan’ny sojaben’ny Fakiolten’ny EGS, Pr Ramaromanana Andria­mahefazafy Fanomezantsoa.
Nahazo ny loka voalohany ny tetikasa Bio communauté (famokarana biogaz sy zezika) ho an’ny sokajy Entrepreneu­riat durable. Laharana faharoa kosa ny tetikasa vatsy (fampisakafoana ny mpianatra amin’ ny vidiny mirary). Ho an’ny sokajy Développement communautaire, nandrombaka ny laharana voalohany ny teti­kasa Tahala (Fanamafisana ny fifehezana ny teny frantsay sy anglisy ho an’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panja­kana ao amin’ny faritra Bon­golava). Laharana faharoa ny E-Pratik (fanampiana ny mpianatra nahavita fianarana hiro­tsaka amin’ny sehatry ny asa).
Hotohanana avokoa ny tetikasa rehetra. Ny tetikasa roa isaky ny sokajy kosa no hahazo loka sora-bola sy fanohanana amin’ny serasera. Hampiana koa ny ekipa efatra nisongadina hanatanteraka ny tetikasany, ao anatin’ny 12 volana, hoy ny tomponandraikitry ny Impact ao amin’ny Orange Madagascar, Ranai­voson Valérie.
Tanjon’ny hetsika iarahan’ ny Orange sy ny fakiolten’ny EGS ny hampivelatra ny fahafahan’ny mpianatra misehatra amin’ny asa. Tsapa fa mahavolavola tetikasa mahomby ao anatin’ny fotoana fohy ny mpianatra eny amin’ny oni­versiten’Antananarivo. Ma­nefy ny tanora ny sehatra tahaka izao hiatrika sedra.

Vonjy

Partager sur: