Nifarana ny sabotsy 31 oktobra teo, tao amin’ny CCI Ivato, ny kongresy voalohany ho an’ny mpitsabo nify aty amin’ny Ranomasimbe indianina (Congrès dentaire de l’océan Indien – CDOI). Nanentanana ny hetsika nandritra ny roa andro ny lohahevitra «Sourire pour demain». Nandray anjara tamin’izany ireo mpitsabo nify, mpitsabo nify mpanampy ary mpamatsy fitaovana avy eto Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Seychelles, Kaomoro ary Frantsa. Nikarakara ny hetsika ny Fikambanan’ny mpitsabo nify malagasy (ADM) sy ny Holafitry ny mpitsabo nify sy mpitsabo ny aretin’ny vava (ONOS). «Nahafa-po ny mpandray anjara ny kongresy », hoy ny Dr Rabedasy Nadia, filohan’ny ADM. Nanamafy ny fahombiazana 80 ka hatramin’ny 86 % ny mpandray anjara. Nifantoka tamin’ny fanofanana ireo matihanina sy ny fanamorana ny fahazoan’ny rehetra fitsaboana ny fandaharam-potoana. Nisy ny famelabelarana ara-tsiansa, atrikasa fampiharana ary fampirantiana. Anisan’ny lohahevitra lehibe ny fampiasana ny teknolojia vaovao. «Afaka manampy amin’ny fitantanana fotoana sy kaontim-pitsaboana ny faharanitan-tsaina artifisialy. Mila fiofanana anefa izany», hoy ny Dr Rakotonjanahary Anselme, filoha lefitry ny ADM. Notsindriny koa fa ilaina ny fahavononan’ny mpitsabo hampiasa ireo fitaovana ireo. Mbola sakana ny fahafahan’ny maro misitraka fitsaboana nify. Noho izany, nasongadina ny fisorohana sy ny fanentanana momba ny fahadiovan’ny vava. Efa eo am-panomanana ny andiany faharoa ireo mpikarakara, hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena mivondrona aty amin’ny Ranomasimbe indianina.
Henintsoa





