Manaitra ny sain’ny mpandalo ny fahitana ireo fitaovana vaventy manosika tany ao amin’ny ranon’Anosy.
Nitondra fanazavana ny Apipa manoloana ny tsaho miely momba ny mety hanotofana ny farihin’Anosy. Tsy fanotofana ny farihy no tanjon’ny asa atao eo amin’io toerana io, fa asa fanatsarana ny fotodrafitrasa, ao anatin’ny tetikasa PIAA II (Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo) raha ny fanazavana.
Fanatsarana ny fantsona lehibe fanarian-drano mba hampikoriana ny rano no tena fotrotry ny asa. Eo koa ny fanatsarana ny rafitra fanarian-drano, ho fanampiana amin’ny fisorohana sy fampihenana ny mety ho voka-dratsin’ny tondradrano eto Antananarivo.
Fanatanterahana ireo asa ara-teknika ilaina amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fanadiovana sy fanarian-drano izy io.
Haverina amin’ny laoniny ny toerana voakasiky ny asa rehefa vita ny fanatanterahana azy.
Anisan’ny olana sedrain’Antananarivo ny fahasarotan’ny fanarian-drano, izay mety hampitombo ny loza ateraky ny tondradrano. Noho izany, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fanarian-drano dia anisan’ny ezaka atao hanatsarana ny fitantanana ny rano eto an-dRenivohitra.
Tatiana A





