INDRAY MIJERY

Mampahafantatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny fahatapahan-dalana maromaro noho ny fanamboarana. Nanomboka omaly hatramin’ny sabotsy 16 janoary 2027, tapaka ny lalana manomboka eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka Befelatanana mihazo an’i Fort Voyron. Ho an’ireo fiara rehetra hihazo izany toerana izany dia miakatra an’Ankadilalana, miditra eo Fiadanana ary manohy ny lalana mahazatra.

Mpianatra 25 avy amin’ny liseam-panjakana ao Antsirabe no voafantina hisitraka ny vatsim-piofanana English Access Microscholarship Program. Noraisin’ny masoivoho amerikanina izy ireo hisantarana ny fiofanana ho azy ireo izay haharitra roa taona. Ny fandaharanasa English Access dia tohanan’ny Departemantam-panjakana amerikanina hanohanana ireo tanora malagasy mpianatra handalina ny teny anglisy …

Sekoly natsangan’ny fanjakana, miorina ao amin’ny fokontany Ankadinondry I, ny EPP Ankadi­nondry Sakay, notokanana ny herinandro teo. Ahitana efitrano fianarana miisa 12, birao iray ho an’ny tale, birao iray ho an’ny mpanolotsaina ara-pedagojika, efitra fitsaboana iray ary efitranon’ny mpampianatra iray ity sekoly ity.

Partager sur: