Atrikasa Théâtre : Hanatsarana ny talentan’ny mpisehatra

Ho fanatsarana ny talentan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny théâtre, hanatanteraka “Atrikasa Teatira” ny Aka­demiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac). Indroa miantaona izany, hiarahana amin’ny coach Lofty, mpahaikanto momba ny théâtre. Araka izany, ny 14 novambra izao ny andro voalohany, izay hatao eny amin’ny Anac Anosy. Ny 12 desambra kosa ny andro faharoa ary tsy miova ny toerana. Tombony lehibe ho an’ ny mpandray anjara ny fanatrehana ity atrikasa ity satria hahafantarana bebekokoa ny tontolon’ny théâtre. Hivelatra ihany koa ny fahaizana miaka-tsehara ary hiha­tsara ny fahaiza-mamorona. Hisy ny fifampizarana traikefa satria mi­sokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa, ka antenaina ny fa­hatongavan’ireo efa voky traikefa amin’ity sehatra ity. Efa mi­sokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana sy maniry ny handray anjara ary hanatrika ny “Atrikasa Teati­ra”. Ao amin’ny pejy facebook an’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) no ahafahana misoratra. Na ihany koa manatona mivantana eny amin’ny birao eny Anosy.

Mi.Raz

Partager sur: