Farihy Alaotra : Tandindomin-doza ny Faritra arovana

Nandefa tatitra tany amin’ny fitantanam-paritry tontolo iainana (Dredd), mpitantana ny fikambanana Durell ary ny lehiben’ny distrika, ny VOI any amin’ny kaominina Vohitsara, distrika Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Anisan’ny voalaza ao anaty tatitra ny fisian’ny hetsika ara-kolontsaina eny amoron’ny farihin’Alaotra, izay tafiditra ao anatin’ny Faritra arovana, ny fiandohan’ny volana novambra teo. Voalazan’ireo mpikarakara, fa mbola ho tohizana amin’ny 13 novambra ihany koa ity hetsika ity sy ny ao aorian’izay. Ho an’ity VOI ity, tandindomin-doza ny Farihin’Alaotra, satria anisan’ny hatao ao anatin’ilay hetsika, ny fifaninanana kibota anaty rano.
Anisan’ny tsindry mahazo ny farihin’Alaotra koa ny fisian’ ny fambolena vary jebo, mamboly vary anaty farihy, any Andranomanangatra sy Mahambo. Misy ny mampiasa angadinomby, trakitera, miasa tany, eo koa ny efa tera-bary ary ao ny voafafy. Voalaza fa misy mitady hivarotra koa ny tany amoron-dranon’Alaotra.

Njaka A.

Partager sur: