Fiotazana letisia: Hanomboka eo anelanelan’ny 19 sy 21 novambra

Vinavinaina hanomboka eo anelanelan’ny 19 sy 21 novambra 2026 ny fotoam-piotazana ny letisia, araka ny tombana farany navoakan’ny Centre technique horticole de Tamatave (CTHT). Hita fa mandroso tsara ny fitomboan’ny voankazo any amin’ireo faritra mpamokatra ao Toa­masina.
Nahatratra 1 446 isa ny hazo letisia nojerena nandritra ny fitsirihana nataon’ny CTHT ny 30 oktobra lasa teo. 921 tamin’ireo no tany amin’ny faritra atsimon’i Toamasina ary 525 kosa tany avaratra. Teo anelanelan’ny 17 sy 28 milimetatra ny savaivon’ny voankazo, ka 23,5 milimetatra ny salan’isa. Ambony noho ny tamin’ny taona 2025, izay 21,7 milimetatra izany, saingy mbo­la ambany kely raha oharina amin’ny 23,8 milimetatra voarakitra tamin’ny 2023.
Na dia hita aza ny fivoarana, mbola tsy nisy nahatratra ny fahamasahany ireo voankazo nalaina nandritra ny fitsirihana. Efa nanomboka niova loko kosa ny hoditry ny letisia tamin’ny 32 % ireo voankazo voamarina. Anisan’ny nahatonga ny fivoaran’ny voankazo ny rotsakorana ampy sy matetika kokoa, niaraka tamin’ny fiakaran’ny maripana na ato­andro na alina.
Mifanakaiky amin’ny fivoarana voarakitra tamin’ny taona 2023 sy 2022 ny zava-misy amin’ity taona ity, araka ny CTHT. Nanomboka ny 19 novambra ny fanangonam-bokatra tamin’ny 2023, raha ny 22 novambra kosa tamin’ny 2022.

Henintsoa

Partager sur: