Lalao Olympika : Hanainga rahampitso ny Barea U23

Raha tsy misy ny fiovana farany, hanainga ny alarobia ho avy izao, hihazo any Afrika Atsimo, ny delegasionin’ny Barean’i Madagasika­ra ho an’ny sokajy zandriny U23. Hiatrika ilay fifanandrinana roa, mandroso sy miverina, amin’i Bafana Bafana Afrika Atsimo, izay tafiditra anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny lalao Olympika 2028, izay hotontosaina any Los Angeles, Etazonia. Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejin’ny Federa­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Mbola ilay lisitra navoakan’ireo mpikarakara ny ekipam-pirenena hatrany aloha no nivoaka, saingy nilaza ny eo anivon’ny rafitra federaly fa tsy mbola ofisialy izany fa miandry, mila ampandalovina eo anatrehan’ireo komity mpanatanteraka (CE) an’ ny FMF aloha vao havoaka. Raha ny angom-baovao voaray, nentina nodinihina nandritra ny fivorian’izy ireo omaly, io lisitra io, ary mbola andrasana ny fivoahan’izany. Etsy ankilany, manohy ny fampivondronany eny Carion hatrany ny Malagasy mpilalao avy eto an-toerana, izay hiatrika an’ity fifanintsanana lalao Olympika ity. Ampahafantarina ihany fa ny fihaonana voalohany ny Barea sy ny Bafana Bafana, hatao ny 14 novambra ho avy izao. Ny faharoa kosa, ny 17 novambra.

Fitia Randria

Partager sur: