Tapitra ihany koa ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ) ho an’i Nomenjanahary Francia, niatrika ny Lutte ambony fasika, sokajy -45 kg. Fihaonana notanterahina tany Dakar, ny sabotsy lasa teo. Faharesena roa sy fandresena iray no azony nandritra ny lalao fifanintsanana.
Tontosa tany Antsirabe, ny sabotsy lasa teo, ny famaranana niadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U23. Nanao pao-droa ny ekipan’ny zandary izay nandrombaka izany teo amin’ny lehilahy sy vehivavy. Samy resin’izy ireo teo amin’ny famaranana avokoa ny ekipan’ny ASI.
Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Fiba National Youth Camp. Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra teo amin’ny sokajy vehivavy, Rakotozafy Mitiasoa Christina. Rasivindravalotry Manambintsoa Wandrille kosa ho an’ny lehilahy.





