Tafapetraka teny amin’ny Antenimierampirenena, ny zoma 6 novambra teo, ny volavolan-dalàna Tetibolam-panjakana 2027. Anisan’ny misongadina ao ny fahamarinan-toeran’ny toekarena sy ny sosialy.
Nanazava mahakasika ny Tetibolam-panjakana 2027 ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), ny Dr Ramiarison Aimé Herinjatovo, omaly. Navoitrany fa ny fisian’ny fahamarinan-toerana ara-toekarena sy ara-tsosialy no tena antoky ny fampandrosoana. Efa hita taratra izany tato anatin’izay herintaona izay ary hoezahina ho tohizana. Nosiganiny fa marin-toerana ny vidin-tsolika, nofoanana ny hetra amin’ny vary sy ny menaka, nahafahana nifehy ny vidim-piainana. Manome antoka ireo mpampiasa vola sy ny mpamatsy vola ny fahamarinan-toeran’ny toekarena ankapobeny. Satria, tsy nihetsika firy ny sandam-bola Ariary, Manana tahirim-bola vahiny ahafahana manafatra entana mandritra ny 7 volana ny Banky foibe, raha 3 volana no tokony ho izy. Izay manome antoka ireo mpampiasa vola. Singa matanjaka ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpandraharaha ireo. Koa, hahatratra 5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe, napetraka ao amin’ny tetibola 2027. Sehatra tena hianteherana hanatrarana io ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ny famokarana lamba ary ny sehatra fahatelo, toy ny fifandraisan-davitra, ohatra.
Nahita tombony 100 tapitrisa dolara
Navoitran’ny minisitra, fa singa telo no tena nanatsara ny famokarana, ankehitriny. Nihatsara ny famatsiana herinaratra sy rano tamin’ity taona 2026 ity, ary hotohizana. Toraka izany koa ny fanamboaran-dalana, nanaovana ezaka goavana. Antony, tombanana ho 320 tapitrisa dolara (2% amin’ny PIB) amin’ny tetibolam-panjakana manodidina ny 16 miliara dolara isan-taona no very, izany hoe, ny sandan’ny fatiantoka nateraky ny tsy fahampian’ny herinaratra sy ny rano ary noho ny haratsian-dalana eto Madagasikara. Efa nahitana tombony 1,1% amin’ny PIB, manodidina ny 100 tapitrisa dolara, tamin’ity taona 2026 ity, ka hotohizana amin’ny taona 2027. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly, ny fampidiran-ketra anatiny (ho 12%) sy ny haban-tseranana, sns.
Njaka Andriantefiarinesy





