Naato mandra-pahavitan’ny maitsoahitra ny fakana haba amin’ny fanafarana vary. Manambara ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fa manara-maso ny tsy hisian’ny fanararaotana eo amin’ny vidin’entana, indrindra manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny dôlara sy ny fiakaran’ny vidin’ny vary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 450 dôlara izany raha 350 dôlara teo aloha.
Nitombo 20% ny vokatra lavanila naondrana tamin’ity taona ity. Ankehitriny, tafakatra 10 000 Ar hatramin’ny 30 000 Ar ny vidin’ny lavanila maitso iray kilao raha 2 000 Ar na 3 000 Ar izany teo aloha. Nohalalahana ny fanomezana « agrément » hanondrana ka tafakatra manodidina ny 300 ireo mpandraharaha nahazo izany raha 90 monja izany teo aloha.
Nomen’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fanampiana ara-bola ny orinasam-panjakana SPM hividianany vary akotry eny amin’ny tantsaha. 1 500 Ar isan-kilao no andraisan’ny SPM ny vary akotry any Alaotra, raha 1 440 Ar no ividianan’ny mpanangom-bokatra izany. Tsy misy tokony hisitraka ny hetsiky ny SPM ankoatra ny tantsaha raha ny fanazavan’ireo tomponandraiki-panjakana.





