Fandraharahana : Mafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Afrika

Hampiroborobo ny fampiasam-bola, ny famoronana asa ary ny fandraharahan’ny tanora sy ny vehivavy eto Madagasikara ny « Accord-cadre SAE Lomé 2026 ». Fifanaraham-piaraha-miasa maharitra eo amin’ireo rafitra mpanohana ny fandraharahana amina firenena afrikanina miisa dimy.

Vita sonia tany Lomé-Togo, ny sabotsy 7 no­vambra teo, ny «Ac­cord-cadre SAE Lomé 2026». Fifanaraham-piaraha-miasan’ireo vondron’ny rafitra mpanohana ny fandraharahana avy amin’ny firenena afrikanina miisa dimy. Tafiditra ao anatin’izany i Bénin, Kaomoro, Ginea, Madagasikara ary Togo. Hetsika natao nandritra ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fihaonana an-tampony Afric’Innov 2026. Nita­rika ny delegasiona malagasy sady nisolo tena an’i Mada­gasikara tamin’izany ny filohan’ ny Madagascar SAE (MaSAE), Randriamaro­manana Tandri­fy. Tanjona ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo rafitra mpanohana ny fandraharahana (SAE), hampiroborobo ny fifampizarana traikefa, hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpanohana sy mpanofana, indrindra manoloana ny fivoaran’ny teknolojia sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Natao ihany koa hanamora ny fanohanana ireo orinasa te hivelatra any amin’ny firenena afrikanina hafa izany.

Tohana
Maherin’ny 44 ireo rafitra mpikambana ao amin’ny MaSAE hahazo tombontsoa amin’ny fiaraha-miasa. Hisi­traka traikefa sy fahaiza-ma­naon’ireo rafitra mitovy aminy any amin’ireo firenena efatra ireo izy ireo. Hanamora ny fidiran’ny orinasa malagasy ao amin’ny tsenan’i Bénin, Kao­mo­ro, Ginea ary Togo, amin’ny alalan’ny tambajotran’ireo rafitra mpiara-miombon’antoka ihany koa izany. “Ilaina ny manamafy ny tontolon’ny fandraharahana mba hahafahan’ny tanora malagasy mampivelatra ny talentany sy manova izany ho tombontsoa ara-toekarena”, hoy ny filohan’ny MaSAE. Mila rafitra manomana azy amin’ny fitadiavam-bola ary manokatra ny lalana mankany amin’ny tsena vaovao ny mpandraharaha, raha ny fanazavany hatrany. Mano­hana ity fifanarahana ity ny Fikambanana iraisam-pire­nena momba ny fampandrosoana ny indostria (Onudi) sy ny Vondrona eoropeanina (UE).

Henintsoa

Partager sur: