Voaheloka asa an-terivozona fito taona ireo tovolahy efatra izay samy latsaky ny 25 taona taorian’ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina, ny alatsinainy 2 novambra teo. Voarohirohy tamina raharaha vono olona nitranga ny alin’ny 22 febroary 2025 izy ireo. Tra-tehaky ny polisy nifoka rongony teo amin’ny toerana nitrangan’io famonoana olona io izy efa-dahy. Niakatra fitsarana ka naiditra vonjimaika am-ponja, ny 27 febroary 2025. Nandritra ny fitsarana, nolavin’izy efa-dahy hatramin’ny farany ny famonoan’olona. Niaiky kosa izy ireo fa mifanao fotoana eo amin’io toerana nahasamborana azy ireo io. « Misintona kely makamaka, tsy misotro toaka izahay fa rongony no mba fanalanay azy », hoy ny iray tamin’izy efa-dahy. Tsy nahitana vesatra mivaingana rahateo ny loham-piampangana momba ny vono olona. Vokany, voatery nanova ny loham-piampangana ny mpitsara mpamoaka didy ka ny fifohana rongony izay voararan’ny lalàna no nanenjehana sy namoahana didy. Fanamelohana hanao asa an-terivozona fito taona am-ponja, miampy tsy fahafahana mandeha amin’ny faritra sy faritany fiaviana mandritra ny dimy taona.
Sajo





