Maarif-Edean Biec: Zana-kazo 169 voavoly teny Ambohimanandray

Hetsika nasionaly Tiorka, fanao isan-taona, napetraky ny filoha Recep Tayyip Erdo­gan tamin’ny taona 2019, isaky ny 11 novambra, ny hetsika fanentanana ny rehetra hiaro ny tontolo iainana sy hiady amin’ny doro tanety.
Anisan’ny mankalaza iza­ny isan-taona ny sekoly iraisam-pirenena Maarif eny Talatamaty, miaraka amin’ny masoivoho Tiorka eto Mada­gasikara. Miisa 169 ny zana-kazo nambolena teny Ambo­himanandray, kaominina Ma­hitsy, Ambohidratrimo, sady nanamarihana ny faha-103 taona ny Repoblikan’i Tiorka sy ny faha-66 taonan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mahatratra 5 000 m2 ny velaran-tany nambolena hazo karazany 7. Hetsika niarahana tamin’ny fikambanana Edean Biec, niandraikitra ny fitadiavana ny tany, ny fanaovana ny lavaka ary ny fanaraha-maso ny fambolena. «Manara-maso ny hazo velona sy mijery hanasosohana izay maty izahay», hoy Ramatoa Ratrimoa­rilala Resine, mpitondra tenin’ny Edean.

Ao anaty fandaharam-pianarana
Nambaran’ny tale jeneralin’ny sekoly Maarif, Suleyman Karadag fa «tafiditra ao anatin’ ny fandaharam-pianaran’ny sekoly ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ohabolana Tiorka milaza fa mamboly hazo dieny tanora, manan-kialofana amin’ny hoavy, ary miaina izany ny mpianatray».
Nasongadin-dRamatoa Halime Ebru Demircan fa « tsy fanatsatohana hazo fotsiny ny fambolen-kazo, fa asa fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Ho tohizana ity hetsika miaraka amin’ny sekoly Maarif ity ». Efa mahatratra 1 500 ny zana-kazo voavolin’ny sekoly Maarif tao anatin’ny 5 taona.

Njaka A.

Partager sur: