Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Maison Russe, Ampefiloha, omaly, ny mpirakidraharaha rosianina, Alexei Buriak. Voaresaka ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.
«Manaja ny fiandrianan’i Madagasikara izahay. Manaja ny zony sy ny zo iraisam-pirenena ananan’i Madagasikara», hoy izy. Nambarany fa misy minia mamilivily resaka momba ny fiaraha-miasa. Eto i Rosia ho amin’ny fiaraha-miombona antoka, araka ny nambarany. Notsiahivina tamin’izany ny momba ny fahatongan’ny Rosianina ao Antsiranana. «Anisan’ny fiaraha-miasa ny fanamboarana sy fikojakojana sambo. Misy resaka toekarena sy fandraharahana izany… Manana safidy hiara-kiasa amin’ny firenena sy hifanaraka aminy i Madagasikara ary maro ireo mpampiasa vola liana amin’ireo tetikasa azo atao eto », hoy ihany izy.
Momba ny harena an-kibon’ny tany kosa, nambarany fa efa an-dalana ny fifampiraharahana amin’izany. Manana andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra marolafy ny ambasady Rosianina ary anisan’izany ny harena an-kibon’ny tany, araka ny nambarany hatrany.
Vina sy politikan’i Rosia
Nomarihiny fa manana politika sy vina tsy mitovy amin’ny firenena hafa i Rosia. « Fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandraharaha. Eo koa ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy hametrahana drafitra ho amin’ny fiarovana ny fampiasam-bola ary efa nifampiresahana tamin’ny minisitry ny Fitantanam-bola izany », hoy izy. Notsindriny fa efa misy lasitra ankapobeny amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra samihafa eto Madagasikara, araka ny nambarany. Voatsiahy tamin’izany koa ny fahombiazan’ny fihaonana an-tampon’i Rosia-Afrika farany teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël.
Synèse R.





