Niaiky heloka ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny vehivavy sakaizany ny lehilahy voasambotry ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritr’i Fenoarivo, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandary, omaly. «Misy trangan-javatra hafahafa ary tsy hay hazavaina loatra tamin’io bandy io, nandritra ny fanadihadiana azy », hoy ny fanampim-panazavana. Tsy fantatra mazava raha toa ka nenjehin’ny eritreriny ity lehilahy ity na nanao mody adala. Tsy nisy afa-tsy izy roa irery teny amin’ny toerana nitrangan’ny famonoana ka tsy mbola fantatra mazava ny antony, hatreto. Nanamafy ny zandary miandraikitra ny famotorana fa efa nahazo alalàna manokana hampitombo ny fotoana hitazomana an’ity lehilahy ity ao amin’ny fonjakely avy amin’ny mpampanoa lalàna izy ireo. « Mbola nanatanteraka ny fandevenana rahateo ny fianakavian’ilay namoy ny ainy ka miandry azy ireo vao afa-manohy ny famotorana », hoy ny zandary. Tratra teny aminy ny antsy nampiasain’ity lehilahy namono ny sakaizany ity. Mpiara-miasa io lehilahy io sy ilay vehivavy. Niafara tamin’ny habibiana anefa ny fiarahan’izy roa. Raha tsiahivina, nitrangana vono olona mahatsiravina teny amin’ny kaominina Alatsinainy Ambazaha, ny faran’ny herinandro teo. Hitan’ny fokonolona nitsirara tamin’ny tany ny vehivavy 30 taona. Nisy dian’antsy teo amin’ny faritry ny vatany. Namoy ny ainy izy. Niroso tamin’ny fikarohana ny fianakaviany ny fokonolona. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera rahateo ny zava-nisy. Olona avy any Ambolotara, kaominin’i Tsarasaotra, distrikan’Ambositra ity nisy namono ity. Hitan’ny fianakaviany izy ka noraisin’izy ireo an-tanana ny mombamomba ity havany.
Tsiferana R.





