TSELATRA

Taksiborosy mampitohy an’Arivonimamo sy fiara mpitatitra entana iray niampy bisikileta tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly maraina. Potika ny lohan’ireo fiara roa nifandona. Nentina namonjy mpitsabo ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy.
Zazavavy 11 taona lasan’ny rano tao Ampasina Maningory, Fenoarivo Atsinanana,  afakomaly. Nilomano ity zaza ity kanjo rendrika tampoka. Nikoropaka ny mponina manodidina ary nifampitadiavana ilay zaza.
Azon’ny tory tampoka nandritra ny segondra vitsy, nidona tamin’ny fiara mpitatitra solika tamin’ny sisin-dalana ny taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 20 minitra. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ny mpandeha naratra tao anatin’ilay taksiborosy.
Naneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo zaza mianadahy namoy ny ainy teny amin’ny Cité Itaosy, ny fokonolona, omaly tolakandro. Nanao akanjo fotsy avokoa izy ireo mba ho mariky ny firaisankina.

Partager sur: