Tanjona hapetraky ny fitondram-panjakana ny tsy hanomezana fanampiana ny Jirama intsony. Raha tanteraka ny Drafi-panarenana ny Jirama, tsy hanampy ara-bola ity orinasam-panjakana ity intsony ny fanjakana amin’ny taona 2028, satria efa maro ireo vahaolana hapetraka. Toy ny tetiksa Volobe 2, hamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano, ny tetikasa Sahofika ihany koa, ary manampy ireo ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, napetraka manerana ny faritra maro.
Hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo ny tanjon’ny tetikasa P-Dipping. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena (MiASA) sy ny fanadaharanasa japoney Jica. Tanjona ny hampitombo 30% ny voka-bary. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa FyVary ity paikady ity.
Mirefy 138 km ny lalana harenina any amin’ny RN 18, mampitohy an’i Vangaindrano sy Befotaka. Mandalo any Midongy Atsimo io lalana io. Anisan’ny asa atao ny fandravonana ny tany, ny fanamboarana ny lakandrano, ny fametrahana sosona samihafa.





