Mampihatra ny politikam-panjakana amin’ny ankapobeny ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa momba ny fanavaozana ny fomba fiasa ho fanatsarana ny asam-panjakana eto Madagasikara.
Nisy ny dinika fifanakalozana niarahan’ny mpitantana ny minisitera mpiahy, notarihin’ny minisitra, Denis Franconio Mac, sy ny mpiasam-panjakana tao amin’ ny faritra Matsiatra Ambony, tao Fianarantsoa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Anisan’ ny noresahina ny fandraisana mpiasam-panjakana.
Miantoka ny fahadiovana sy ny fangaraharahana mandritra ny fanadinana ara-panjakana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, hisian’ny fitoviana lenta eo amin’ny mpiadina. “Marihina fa amin’ny maha fifaninanana azy, fetr’isa no tratrarina fa tsy fahaizana manokana”, hoy ny minisitra. Ohatra, ho an’ny fifaninanana hidirana eo amin’ny minisiteran’ny Haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, nahatratra 5 060 ireo mpiadina nifaninana. 90 ihany nefa no noraisina amin’ny sokajy roa, ka ny olona 90 voalohany amin’ny laharana no nahazo ny toerana.
Nandritra ny fihaonana tao Fianarantsoa, nohenoina ny mpiasam-panjakana rehetra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny ary nisy ny fakan-kevitra hitondrana ny fanavaozana ny asam-panajakana. Hisy ny fanatsarana mivantana aorian’ny fakan-kevitra isam-paritra.
Tanjon’ny fidinana ifotony notanterahin’ny fitaleavana ankapobeny ny asam-panjakana sy ny minisitera mpiahy ny hanakaiky ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra. “Betsaka ny maniry ny hihaona ka ny faritra Matsiatra Ambony no nisantarana izany”, hoy ny tale jeneralin’ny asam-panjakana, Randrianaivosoa Onivololona. Zava-dehibe ny fanazavana ny fanatsarana sy fanavaozana ny asam-panjakana eto Madagasikara. Hitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika, araka ny tetiandro napetraka.
Vonjy





