Taorian’i Mahajanga, anjaran’ny tapany Atsimon’i Madagasikara indray no handray ny fihaonambe ho fanavaozana ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 19 sy 20 novambra ho avy izao, ao Fianarantsoa izany. Fotoana iray hifanakalozan-kevitra amin’ireo mpampiofana, mpianatra, ray aman-dreny ary mpiara-miombon’antoka, hiaraha-mamantatra ireo laharam-pahamehana hanavaozana sy hanorenana ny hoavin’ny ETFP eto Madagasikara.
Nihaino ny fangatahan’ireo mpiray ombon’antoka nasionaly sy iraisam-pirenena ny minisitry ny Mponina sy firaisankina, indrindra ireo miara-miasa amin’ny fitaleavam-paritra ao Vakinankaratra. Anisan’ ny nodinihina ny fanafainganana ny fikarakarana ny taratasy fankatoavana hahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa sosialy. Tao amin’ny Tranompokonolona kosa no nampahafantarina ireo fikambanana ny maha zava-dehibe ny fijoroana ara-dalàna sy ny fisoratana anarana eo anivon’ny minisitera.
Hiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana, manomboka ny taom-pianarana 2027, ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny Oniversiten’Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny Bianco. Nosokafana tamin’ny fiandohan’ny herinandro ary haharitra roa andro ny atrikasa momba ny famolavolana taranja mahakasika izany, eny amin’ny Anjerimanontolo ho an’ny mpianatra manaraka ny mari-pahaizana Master, manomboka ny taom-pianarana 2027.





