Mitohy ny fitsaboana sy fandidiana maimaimpoana ho an’ireo vehivavy tratran’ny aretina mamaly lava na fistule obstétricale, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Iarahany amin’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny “Freedom From Fistula” izany, ao amin’ny CHU Analankininina, Toamasina, nanomboka ny 18 oktobra lasa teo ka hatramin’ny 30 novambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny tolotra ny fizahana sy ny fandidiana, ny fanafody, ny saran-dalana miverina ary ny sakafo mandritra ny fotoana hitsaboana. Tanjona ny hanampiana ireo vehivavy voan’ity aretina ity hahazo fitsaboana sahaza, hiverina amin’ny fahasalamana ary hahazo indray ny hasina sy ny fahatokisan-tenany.
Ezaka iray entin’ny fitondram-panjakana hanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny fahazoany fitsaboana mendrika izao hetsika izao. Entanina ireo vehivavy voakasik’izany sy ireo mahafantatra vehivavy tratran’io aretina io tsy hangina na ho menatra fa hanararaotra izao fotoana izao, hahazoana fitsaboana hanova ny fiainany.
Vonjy





