Fahasalaman’ny fananahana: “Tsy mitovy ny fomba fampiharana azy”, hoy ny fiarahamonim-pirenena

Nanao fanambarana iombonana momba ny fanamafisana ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny lalàna laharana 2017-043, momba ny fahasalaman’ny fananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana eto Madagasikara ny fikambanana sy ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny zon’olombelona ary ny zo ara-pahasalaman’ny fananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana izy ireo.

Maneho ny ahiahiny izy ireo manoloana ny tsy fitovian’ny fomba fandikana sy fampiharana ny lalàna laharana faha-2017-043. Ny andininy faha-3, faha-5 ary ny faha-21, teboka faha-3 dia miantoka ny zon’ny tsirairay hahazo vaovao sy tolotra momba ny fahasalamana eo amin’ny fananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, tsy misy fanavahana noho ny taona. Voalaza ao amin’ny andininy faha-21, teboka faha-3, fa tafiditra ao anatin’ireo tolotra ireo ny fanomezana torohevitra sy tolotra fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ho an’ny zatovo efa manao firaisana ara-nofo, na manambady na tsia.
Ankoatra izany, araka ny torolalana ara-teknika momba ny fahasalaman’ny tanora sy ny zatovo ho an’ny mpanome tolotra ara-pahasalamana, azo omena torohevitra sy to­lotra ara-pahasalamana ny tanora sy ny zatovo. Na misy misy faneken’ny ray aman-dreny na mpiahy azy na tsia. Sady hajaina koa ny tsiambaratelo sy ny fanekena an-tsitrapo sy am-pahalalahana, araka ny fenitra ara-pahasalamana manan-kery.
Manoloana izany, mampanahy ny fahenoana tranga mahakasika ny fandraisana fepetra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noho ny fanomezana tolotra fanabeazana aizana ho an’ny zaza tsy ampy taona. Miteraka ahiahy izany, indrindra raha fanatanterahana ny adidy sy andraikitra araka ny lalàna manan-kery no anton’izany. Ny tsy fahampian’ny fahatakarana sy ny fandikana samihafa ny lalàna dia mety hiteraka sakana amin’ny fahazoan’ny tanora sy ny zatovo tolotra ara-pahasalamana. Hampitombo ny loza mety hitranga amin’ny vohoka tsy irina izany ary hanimba ny fahatokisan’ny olona ireo rafitra sy mpiasan’ny fahasalamana. Mitaky ny fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana miasa am-pahamarinana, ma­naraka ny lalàna, izy ireo.

Vonjy

Partager sur: