Firenena tokana tsy azo zarazaraina i Madagasikara, araka ny voalazan’ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Razafimahefa Herimanana. Notsiahiviny fa niezaka nanao an’i Madagasikara ho firenena tokana sy tsy mivakivaky ireo razambentsika. «Tsy Gateau ny firenentsika ka ho zarazaraina amin’ny alalan’ny fahefana. Firenena tokana ihany», hoy izy.
Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana mahomby amin’ny raharaham-pitsarana, ho fanamafisana ny fanajana ny lalàna sy ny fahombiazan’ny asan’ny fitsarana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny fampanoavana sy ireo mpikaroka ny fandikan-dalàna tetsy Anosy. Voaresaka koa ny toromarika sy ny fanatsarana ny fomba fiasa.
Efa miandry sy vonona handany ny volavolan-dalàna fehizoro amin’ny fehin-kevitra teny Ivato, ho fanatsarana ny fifidianana, ireo depiote. «Tokony hifanojo amin’ny fanavaozana tanterahintsika izany. Tsy hanova izany izahay fa hampifanojo izany amin’ny lalàna», hoy ny depioten’Ankazobe, Razafitsihoarana Edison.
Nahitana vokatra tsara ny ezaka efa natao teto Madagasikara, indrindra ireo tetikasa teny ifotony. Niantraika mivantana amin’ny mponina izany, araka ny nambaran’ireo Diaspora, nandritra ny hetsika Connect Diaspora. Anisan’ny sehatra nisitraka izany ny fampianarana, ny fahasalamana ary ny tontolo iainana. Hanitatra izany amin’ny sehatra hafa izy ireo.





