Anisan’ireo nitondra ny heviny ho amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana sy ny vahaolana amin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, tamin’ny dinika teny amin’ny CCI Ivato, ny Pr Ranjeva Raymond. Nankasitrahiny manokana ny fitondram-panjakana. «Isaorana ireo tomponandraikitra rehetra nanome fitokisana anay, manana traikefa amin’ny fandaminana sy famahana krizy ary koa ny fahasahiranana iainana amin’izao fotoana izao», hoy izy. Nambarany fa tanteraka ny vetsovetson’ny Akademia Malagasy : “Tsy nomena ny andraikitra sahaza azy sy fitokisana ireo olona misaina sy mieritreritra ny hoavy amin’ny fanajana ny hasin’ny rehetra sy ny saina matoa mandrorona ny firenena». Tanteraka anefa izany fanomezan-kasina sy andraikitra ary fitokisana azy ireo izany, araka ny nambarany. Nitsodrano sy nirary soa an’ireo tanora hahavita araka ny tanjona hotratrarina eto amin’ny firenena ny tenany, taorian’
izany.
Nanolotra tamin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teo anatrehan’ireo mpandray anjara, ny fehinkevitra tamin’iny dinika fakan-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana natao teny Ivato iny, ny tenany.
Tsiahivina fa mpahay lalàna sady mpitsara ny Pr Ranjeva Raymond. Efa filoha lefitry ny Fitsarana iraisam-pirenena (Cij) ny taona 2003-2006. Anisan’ny nanelanelana sy namaha olana ary nampihavana tamin’ireo toe-draharaha nafampana sasany taty Afrika koa ny tenany. Anisan’izany ny olana eo
amin’ny zo iraisam-pirenena momba ny asa tatsy Zimbaboe.
Synèse R.





