Fondation H : 10 taona nanandratana ny zavakanto ankehitriny

Fampirantiana roa karazana, samy goavana. Ireo no hanombohana ny fanamarihana ny 10 taona nampakaran’ny Fondation H avo ny zavakanto malagasy.

Vanim-potoana mampamiratra ny zavakanto ankehitriny, izao. Iray amin’ireo ivokolo nanome sehatra, nampahafantatra ary nampiroborobo ny famoronana ny kanto ny Fondation H. 10 taona izay no nilofosan’ny ivontoerana tamin’izany, ary efa manana ny toerany izy izao. Nanomboka omaly ny fanamarihana izay 10 taona izay, natao tetsy amin’ny foiben’ny Fondation H Ambato­me­na. Miavaka kokoa noho ny mahazatra ny fandaharam-potoana, ka nikatona fotoana elaela mihitsy ny toerana, nanomanana izany. Ireo rehetra nanatrika ny lanonam-panokafana ny fankalazana kosa anefa dia afaka miteny daholo fa nampiakarina avo dia avo ny lentan’ny zavakanto ankehitriny.
Fampirantiana maromaro miaraka, manodidina ny « Prix Paritana », izay nanasongadina ny foron’ireo mpanakanto marolafy, no haseho eny an-toerana. Ireo nahazo ny loka voalohany sy faharoa hatramin’izay nisiany, no nampiarahan’i N’Goné Fall amina habaka iray. Miisa 21 ireo mpanakanto ireo, izay tena maneho ilay haren’ny fahasamihafana eo amin’ny zavakanto malagasy ankehitriny. Ao ny saripika maneho lohahevitra maro, toy ireo sanganasan’ i Viviane Rakotoarivony sy i Rijasolo. Ny Hairaha ara-endrika amam-bika, manasongadina ny talentan’i Andri Marcel. Ny Design, asongadin’i Dina Andriarimanjaka, sns .
Etsy ankilany, toerana iray lehibe hafa no mirakitra ny fampirantiana ireo sanganasan’i Temandrota. Izy no voalohany nahazo ny «Prix Paritana», ary maneho izay fivelarany tao anatin’ny 10 taona, izay indrindra ireo fampirantiana nosafidiany. Misy lohahevitra maromaro hasongadin’i Temandrota anatin’ireo sanganasany. Maro toa izany koa, ary misy fanazavana avokoa, ireo akora nampiasainy. «Ny Masoandro amam-,bolana» , maneho ny fihodin’ny fiainan’ny olombelona. « Saontsy », maneho ny fiarahamonina sy fiaraha-miaina any Atsimo, toerana niavian’i Temandrota. Manampy ireo ny maneho ny ranomasina, ny zavaboahary, sns.
Hanome laka ny fikarohana ara-javakanto ihany koa ny fankalazana. Mandritra izany no hampahafantatra ny voka-pikarohany i Finiavana Raharisandratana sy Zo Andrianjafy, izay samy nahazo ny laharana faharoa tamin’ ny «Prix Paritana» farany teo. Mbola haharitra hatramin’ny 9 janoary ny fankalazana.

Zo ny Aina

Partager sur: