Sarimihetsika : Tafakatra 400 mahery ny mpiofana

Maro ireo tanora liana amin’ny sarimihetsika sy ny haikanto an-tsehatra. Tafakatra 400 mahery ny tonga nanatrika ny fiofanana nokarakarain’ny Ivontoeran’ny Sarimihe­tsi­ka sy ny sarimiaina malagasy (ISSM). Niarahany tamin’ny Akademim-pirenena nasionalin’ny kolontsaina sy ny zava-kanto (Anac) ary ny Creare Training Center. Fiofanana natao teny amin’ny efitrano Havoria Anosy, nandritra ny telo andro, nifarana omaly. Manofana, mampivoatra, mampisongadina ny talenta malagasy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no tanjona ary azo lazaina fa ho tratra izany, raha ny fahavitrihana sy ny fandraisana anjaran’ireo mpiofana no jerena. Fahaiza-manao amin’ny tantara an-tsehatra, fanoratana tantara, filalaovana an-tsehatra hatramin’ny famokarana no nozaraina tamin’ny mpiofana. Ma­nana talenta sy finiavana ny Malagasy. Mila sehatra, fiofanana ary tosika fotsiny izy ireo mba hahafahany misongadina sy mahavita zavatra lehibe, na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Vonona hatrany ny ISSM hanohana, hampivelatra ary hanome sehatra ireo talenta malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: