Jiolahy am-polony nanafika tokantrano iray mpivarotra fitaovana fanorenan-trano tetsy amin’ny fokontany Soavimbahoaka, kaominina ambanivohitra Ampitatafika, ny alin’ny alarobia 11 novambra 2026. Nivatsy tohatra roa sy nihanika tamboho ireo olon-dratsy. Nopitsohin’izy ireo ny varavarambe miditra ao an-trano ka potika tanteraka. Tafiditra tao an-dalantsara izy ireo, saingy tsy tafiditra tany ambony rihana. Nitifitra tamin’ny basy sady nitora-bato taorian’izay. Vaky avokoa ny fitaratra any amin’ny rihana faharoa sy fahatelon’ny trano voatafika. Namaly tamin’ny tora-bato koa, noho izany, ireo olona tao an-trano izay nahitana ny mpanampy sy ny tompon-trano. Nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta, naratra voatifitra ny raim-pianakaviana, tompon-trano. Voa mafy teo amin’ny loha sy ny tendany ity farany. Taorian’ny tranga, nentina tany amin’ny hopitaly ny naratra ary efa tsy misy atahorana ny ainy. Ankoatra izany, nozerain’ny olona tao an-trano tamin’ny gamanta ny iray tamin’ireo jiolahy ka voa teo amin’ny lohany koa. Tratra niaraka taminy ny basy poleta vita tanana iray mifahana calibre 12. Efa nisy bala caliber 12 efa nipoaka ihany koa tsy lavitra azy. “Vao nanomboka nanapitsoka ny varavarana tao an-dalantsara ireo olon-dratsy dia taitra izahay, niakatra tany amin’ny farany ambony ary niantso vonjy”, hoy ny fitantaran’ny niharam-boina. Tsy nisy nalain’ireo olon-dratsy ny entana tao an-dalantsara, toy ny moto sy ny entana maro. Lasa nitsoaka izy ireo avy eo. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, tamin’ny 12 ora alina vantany vao nahazo antso.
Mino





