Miroso amin’ny fanadihadiana eny ifotony ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny Fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC), hanombanana ny fiantraikan’ny fanafarana vary amin’ny famokarana eto an-toerana.
Taorian’ny tany Sofia sy Boeny, mitohy ny hetsika izay efa natomboka ny 31 aogositra teo sy nampahafantarina ny Komitin’ny Fiarovana ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Varotra (OMC) ny 2 septambra 2026. Tanjona ny hamaritra ny fiantraikan’ny fanafaram-bary amin’ny famokarana eto an-toerana. Mihaona mivantana amin’ireo tantsaha, orinasa, fikambanan’ny mpamokatra ary mpanangom-bokatra ny ANMCC, mba hanangona antontan-kevitra momba ny vokatra, ny vidiny, ny tahiry ary ny olana sedrain’ny sehatra. Hojerena ihany koa raha ilaina ny hametrahana fepetra fiarovana manoloana ny fanafarana. Dinihina ao anatin’izay ny tombontsoan’ny mpamokatra sy ny mpanodina. Ho vaindohan-draharaha ny famatsiana ny tsena sy ny tombontsoan’ny mpanjifa, indrindra amin’ny maha foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary.
Hifarimbonana
Miantso ny mpisehatra rehetra ka anisan’izany ny mpamokatra, mpanafatra, mpaninjara ary mpanjifa, ny ANMCC mba hanome antontan-kevitra marina sy azo hamarinina. Hifototra amin’izay no hamaritana ny fehin-kevitra momba ny sehatry ny vary eto Madagasikara. Kendrena manokana mandritra ny fidinana ifotony ao Vakinakaratra ny hahazoana antontan-kevitra marim-pototra sy maneho ny zava-misy marina.
Henintsoa





