Taorian’ny baolina kitra sy ny basikety ary ny atletisma sy ireo taranja hafa, hitsangana eo anivon’ny polisim-pirenena ny COSPN Rugby. Efa ao anatin’ny fandrafetana ireo mpilalao handrafitra ny ekipany, ireo teknisianina sy ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.
Tsy honohono intsony fa hijoro ary hanana ny ekipany, eo amin’ny taranja baolina lavalava ny polisim-pirenena COSPN Rugby. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ ny herinandro lasa teo, efa nanao fitiliana ireo mpilalao handrafitra ity fileovana polisy ity, tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, ireo tomponandraikitra niaraka tamin’ireo teknisianina. Tsiahivina fa efa misy ireo polisy am-perinasa, tena milalao rugby saingy noho ny tsy mbola fisian’ny ekipan’ity mpitandro filaminana ity, lasa manatevina ekipa sivily izy ireo. Anisan’izany i Hery sy i Ponina ao amin’ny USA Ankadifotsy ary i Gôlô ao amin’ny TFA Anatihazo, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Azo antoka izany fa hiverina hanatevina ny COSPN Rugby izy ireo, manomboka izao. Raha hiverenana, ny fifantenana natao, nahatratra hatrany amin’ny 70 lahy ny niatrika izany ka saika nahitana mpilalao avy amin’ireo fileovana rehetra toa an’i Manjakaray, Anosibe, Isotry, Anatihazo, Andohatapenaka sy ny avy amin’ ireo ekipa-na boaty.
Voatendry hanazatra ity ekipan’ny COSPN Rugby ity, i Faby sy i Dina (Makis Ladies), nandrombaka ny medaly alimo tamin’ny lalao Olympika ho an’ny tanora farany teo. Nambaran’i Faby, fa efa mpilalao rugby avokoa ireo namaly ny antso ka nojerena ny fahaiza-manaon’ny tsirairay, ny haben’ny vatana ary ny taonan’ny mpilalao. Hiditra amin’ny fifantenana farany izy ireo, amin’ny herinandro ho avy ka hisy ny hihintsana. Raha tsy misy ny fiovana, 45 mirahalahy sisa tazonina. Hiatrika ny «TOP 20 » avy hatrany izy ireo ka mbola hikambana amin’ny STM (Savony) aloha. Izany hoe : STM COSPN izany no anarana hoentin’izy ireo.
Tompondaka





