FahA-60 taonan’ny SACCC: Hasongadina ny andraikitra sahaniny

Hotanterahina mandritra ny telo andro, ny 18-19-20 novambra, eny amin’ny Parvis Analakely ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny sendikan’ny kaomiseran’ny varotra sy fifaninanana (SACCC). Ity farany izay sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC). Hampahafantarina ny daholobe ny andraikitra goavana sahanin’ireo SACCC indrindra ny tantsoroka ataon’ny minisitera eo amin’ny sehatry ny varotra. “Mitondra anjara biriky amin’ny fampivoarana ny toekarena ny varotra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rakotoson Gilchrist. Maro, hoy izy, ny hetsika hanamarihana ny jobily toy ny famelabelaran-kevitra hampiroboroboana ny fandraharahana sy ny varotra any ivelany. Tranoheva miisa 24 no hisokatra ho an’ny besinimaro mandritra ny hetsika. Hisy ihany koa ny famelabelarana sy adihevitra momba ny fiarovana ny mpanjifa ary ny fametrahana fifaninanana ara-barotra madio sy mangarahara. Anisan’ny lohahevitra hodinihina ny fampiroboroboana ny varotra ivelany, ny fahafahana azon’i Madagasikara trandrahina eo anivon’ny Faritra Afrikana momba ny varotra malalaka (ZLECAF). “Vonona hanohana ny PA ZLECAF ny SACCC mba hahafahana mitrandraka ny tsena lehibe eo anivon’ny kaontinanta”, hoy ny filohan’ny SACCC, Raharimalala Anicette.

Henintsoa

Partager sur: