Amanaliny ny tantsaha mamboly sy mivelona amin’ny fambolena orge any amin’ny fokontany sy kaominina maromaro ao amin’ny faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania. Efa ho 50 taona izao izy ireo no misehatra amin’ity fihariana ity. Sahirana tanteraka izy ireo, ankehitriny, satria, nihena ho 1 600 ha sisa ny velaran-tany ambolena any amin’ny faritra rehetra, amin’ity taona 2026 ity, raha 2 200 ha izany teo aloha. Nihena 25% ny isan’ny mpamboly orge, lasa 15 000 sisa raha 20 000 tamin’ny taona 2025. Singanina amin’izany, nihena ho 414 ha ny velaran-tany any Amoron’i Mania, raha 600 ha ny taona 2025. Lasa 3 790 sisa ny mpamboly, tamin’ity taona ity, raha 4852 tamin’ny taon-dasa.
Anisan’ny tena voakasik’ity tranga ity koa ny any Vakinankaratra. Nilaza Ramatoa Razafimalala Paulette, monina any Atsimotsena, kaominina Betafo, fa « tena sahirana izahay, satria nahena ny velaran-tany ambolena. Nihena koa ny masomboly sy ny zezika novatsian’ny orinasa mpandray ny vokatra. Very hevitra, tena mahantra izahay, tsy manana vola ampiasaina andavanandro sy hambolem-bary intsony ».
Mavesatra ny hetra
Nanamarika Rakotondrainibe Jean Pierre, monina any Ambohijato, kaominina Mandritsara, distrika Betafo, fa nahatonga izao fahasahiran’ny mpamboly orge izao, ny vesatry ny hetran’ny orinasa, satria, miantraika any amin’ny fahahafahany mividy ny vokatra. Mizaka mivantana ny voka-dratsiny ny tantsaha, izay efa sahirana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Njaka A.





