Manana ho avy ny informatika, zava-dehibe ny fanomanana ny fahaizan’ny tanora hisehatra amin’izany. Efa maro ny sekoly ambony mampiofana.
Mampiavaka ny École supérieure des technologies de l’information (ESTI) ny fanampiana ny mpianatra mandrato fianarana ao aminy ho olom-pirenena vanona, mahay ny fiaraha-miaina sy fiaraha-miasa, araka ny fanazavan’ny tale, Razafindrabe Franck, teny Mamory Ivato. Namoaka ny andiany fahenina amin’ny mpianatra nahazo ny mari-pahazaina Master sy Licence ny ivontoeram-pampianarana, ny faran’ ny herinandro. Samy ao anatin’ny andiany “Atrika”, nahazo ny mari-pahaizana Master, Andriamihaja Harentsoa Toavina, nanaraka ny lalam-piofanana sy i Zafimahery Vahatriniaina Sarobidy, nisafidy ny Infrastructure et cyber sécurité.
Miompana amin’ny fitantanana mpiasa sy ny fotodrafitrasa ary ny fifehezana ny IA, miaraka amin’ny fiarovana ana habaka ny Management des systèmes d’information. Mifototra amin’ny fiarovana ana habaka kosa ny Infrastructure et cyber sécurité, satria misy mety lesoka ny informatika, indrindra amin’ny fampiasana IA izay efa mivelatra be amin’izao fotoana. “Hanatsarana ny lesoka amin’ ny fomba fampiasana IA no tanjona. Ohatra, tsy tokony homena fahafahana mikirakira ny angon-drakitra ny IA”, hoy i Sarobidy.
“Mila mifehy ny IA sy maharaka ny fivoaran’ny tontolo niomerika ny tanora ary miavaka kokoa ireo nianatra rehefa mikirakira azy”, araka
ny nambaran’i Toavina. “Tsy natao hisolo ny olona ny IA fa miteraka ambana izy rehefa tsy ampy fandalinana ka izay no tena hifotoran’ny fampianarana ao amin’ny ivontoeram-pampianarana”, hoy ny talen’ ny ESTI.
Mivoatra hatrany ny fampianarana ary manana conseil d’orientation pédagogique mamaritra ny fanatsarana ny fampianarana sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ary ny filan’ny orinasa ny sekoly. Modelin’ny fampianarana ny fifandimbiasana amin’ny fianarana sy ny asa eny anivon’ ny orinasa. Noforonin’ny Chambre de commerce sy ny Goticom rahateo ny ESTI, izay feno 10 taona amin’ity taona ity.
Vonjy





