Nihaona ny delegasiona malagasy, nahitana ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, sy ny Ivontoerana nasionaly momba ny fampianarana ampitain-davitra (CNtemad) sy ny Asosiasi Inkubator Bisnis Indonesia (AIBI), ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nanaovana sonia fifanarahana hampivelatra ny fahaiza-manaon’ ny tanora, hanamora ny fahazoana asa sy hampiroborobo ny fandraharahana. Anisan’ny sehatra lehibe voakasik’ity fiaraha-miasa ity ny fanovana
ny CNtemad ho oniversite an-jotra ho an’ny daholobe. Manana ivontoerana miisa
54 sy mpianatra 13 000 hatramin’ny 15 000 isan-taona ny CNtemad, natao hanitarana ny fahafahan’ny rehetra mahazo fampianarana ambaratonga ambony manara-penitra manerana ny Nosy.
Ao anatin’ny fanovana ara-niomerika ny fampianarana ambaratonga ambony rahateo ny CNtemad, ankehitriny. Tohanan’ny tetikasa Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar (Decim), vatsian’ny Banky iraim-pirenena ary eo ambany fiahian’ny MNDPT ny fiovany ho Université virtuelle publique. Eo koa ny fametrahana Technopark, hampifandray
ny fiofanana, ny fanohanana ireo tanora mpandraharaha, hahafahan’izy ireo mamorona sy mampivelatra orinasa vaovao.
Vonjy





