Fihaonana tamin’ny minisitry ny Fanavaozana: Mitaky ny hanadiovana ny toko­tanim-pifidianana koa ny SADC

Efa andro maromaro ny iraky ny SADC sy ny avy amin’ ny Firenena mikambana (ONU) no eto Madagasikara. Efa nihaona tamin’ireo mpitondra sy ny lehiben’ny An­drim­panjakana ary ny avy amin’ny FFKM izy ireo.
Anisan’ny nandray ny iraky ny SADC, Joyce Banda, teny Antaninarenina, ny herinandro teo, ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafi­manantsoa Hanitra. “Antitran­terinay ny tokony hanavaozana ny Ceni mba hamerenana ny fitokisana eto amin’ny firenena”, hoy ireo vahiny raha niresaka ny momba ny Lalà­mpanorenana sy ny fifidianana. Midika izany fa mitovy hevitra amin’ireo mpanao politika ny amin’ny tsy maintsy hanadiovana ny tokotanim-pifidianana koa izany ny sehatra iraisam-pirenena. Ani­san’ny tokony hodiovina amin’izany ity rafitra mpikarakara sy manomana ny fifidianana ity.
Voaresaka tamin’ny fihaonana ny momba ny fandaharanasan’ny Fanavaozana, ny fi­kaonandoham-pirenena, ny fa­nomanana ny fifidianana. Nambaran’ny minisitra tamin’­ izy ireo fa nampandraisina anjara avokoa ny rehetra eo anivon’ny komity teknika amin’ ny fikarakarana ny fikaonandoha. “Eo ny vehivavy, raiamandreny ara-pinoana sy ara-drazana, ny tanora sy ireo marefo mba hipetrahan’ny fitoniana eto amin’ny firenena”, hoy izy. Efa vonona koa ny fitaovana eny anivon’ny faritra ary miara-mientana ny minisitera sy ny FFKM ary ny komity teknika ho amin’ny fanafainganana ny fanangonana ny hetaheta eny ifotony, araka ny nambarany hatrany.
Momba ny fifidianana, nambarany fa voahaja ny tetiandro roa taona voalazan’ ny tondrozotra ary efa vonona ny vola hanatanterahana iza­ny. “Mbola ilaina anefa ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny mpiara-miombona an­toka”, hoy hatrany ny minisitra.

Synèse R.

Partager sur: