Nanao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny fahavitan’ny dinika fakan-kevitra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. Anisan’ny tsy mankasitraka ny teboka sasany amin’ny fehinkevitra ireo fiarahamonim-pirenena.
Samy velon’ahiahy izy ireo amin’ny tsy fisian’ny mangarahara ka hiverenan’ny tranga tany aloha amin’ny tsy famerana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana Lalàmpanorenana na fitsapan-kevi-bahoaka. « Tsy azo antenaina ny fiovana sy ny fanavaozana ny fifidianana raha izao zava-misy izao, rehefa tsy ferana ilay vola. Fototry ny fifehezan’olom-bitsy ny fahefam-panjakana « Capture d’Etat » ny tsy famerana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana », hoy ny eo anivon’ny Transparency International – TM, amin’ny alalan’ Andriamihaja Shely. Nanteriny fa ahafahan’ny vondron’olona mampiasa vola amin’ny rafitra tiany hapetraka sy ny tombontsoany manokana izany. Handeha ila ny fifidianana fa ny misy ny vola hatrany no hita sy henon’ny olona. Hikoriana tsy misy mangarahara ny vola amin’izany, araka ny nambarany hatrany. « Lasa tsy hevitra intsony izany no hanjaka amin’ny fifidianana Lalàmpanorenana fa mbola ny vola », hoy ihany izy ireo.
Hanao adisisika amin’ny depiote
Na izany aza, nohitsin’izy ireo fa hiady mafy sy hanao adisisika ny fiarahamonim-pirenena manoloana ireo depiote, handray sy hamadika ny fehinkevitra teny Ivato, ho lasa lalàna. Etsy andaniny, tokony ho jerena koa ny fomba hanatanterahana ilay fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka, araka ny nambaran’izy ireo. Anisan’izany ny famaritana ny fepetra ilazana fa lany ny Lalàmpanorenana iray rehefa nahazo ny antsasa-manilan’ny vato. Na koa ny nahazo vato be indrindra na hisy fihodinana faharoa izany rehefa tsy nahafeno ny fepetra amin’ny isa tratrarina.
Synèse R.





