Kianjan-dRaPetit Ampefiloha : Niverina eto an-dRenivohitra ny hiragasy

Omaly, teo amin’ny kianja RaPetit Ampefiloha, niverina eto an-dRenivohitra indray ny fampisehoana adin-kiragasy. Raha tsiahivina, ho an’ity taona 2026 ity, tany amin’ny volana marsa no nisian’ny adin-kiragasy farany ny kianja eny an-toerana. Izany hoe, nanana endrika fanombohana ihany ny fifanandrinan’ny tarika Rafaralahy Raymon (Da-Rôla) avy any Ambatoatrano sy Razakason avy eny Fenoarivo. « Nafana ny kianja… Tsara ny seho… Tonga maro ny mpijery. Tsara fanombohana ny adin-kiragasy, omaly », hoy i Dadafara, mpikambana ao amin’ny Fede­rasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara. Nohamafisiny ny hetaheta sy ny fanirian’ny mpijery maro ny amin’ny hitohizan’ny ny adin-kiragasy isan-­kerinandro, eny amin’ny Kianja RaPetit.
« Raha ny fandaharam-potoana ankapobeny ho an’ny tarika mpanao hiragasy, any amin’ny volana marsa 2027 any indray no tokony hijanona ny adin-kiragasy eto an-dRenivohitra. Mandeha manafana ireo raharaha fanao amin’ny vanim-potoanan’ny maintany, mantsy, ny tarika ma­nomboka eo. Noho izany, izao no anjaran’ny eto », hoy hatrany i Dadafara. Notsiahiviny fa amin’ny alahady 22 novambra izao, hifanandrina eo amin’ity Kianjan’ny hiragasy etsy Am­pefiloha ity, ny tarika Sahon­drafinina Zanany Fenoarivo sy ny tarika Rasamoelson Ando­havary.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: