TARATRY ny KANTO

Notontosaina omaly, teny amin’ny Panorama Andrainarivo, ilay tolo-tanana hanampiana ny hoenti-manana amin’ny fitsaboana an’i Bekoto. Hetsika nahatarafana ny firaisankinan’ireo mpanakanto. Nampaha­tsiahivan-dry zareo indray ny maha andrarezina sy ny maha mpitaiza sy mpanabe ny mpanakanto ka mendrika ny atao fitaratra. Anisan’ny nampihetsi-po ny maro ny nanokafan’ny Jejy Music Symphonie ny sehatra. Andian-javamaneno izay nanome aina vao ny sanganasan’i Bekoto.

75 taona ny Fikambanan’ny mpanao teatra malagasy. Nanomboka ny sabotsy teo ny fanamarihana io vanim-potoana io, raha eo amin’ny fisehoana an-tsehatra. Hitohy ny sabotsy 21 novambra izao izany. Holalaovin’ny Tropy Jeannette, ao amin’ny Ivokolo Analakely, efitrano Charles Ravaloson, ilay tantaram-pitiavana « Marie Rose » nosoratan-dRasamy Gitara. Ankoatra io, hikalo ireo hira faheno any anaty tantara an-tsehatra na ny hira teatraly ry zareo.

Manomboka omen-danja ny fampianarana zavakanto. Tsy mijanona any an-tsekoly ihany fa ny ray aman-dreny isan-tokatrano, mihitsy, no mikaroka mpampianatra zavakanto hampita fahalalana ho an’ny zanany. Io tranga io no mila fitandremana fatratra. Miha maro ireo mitonona ho mpampianatra. Mety ho voafehiny ilay taranja, fa ahitana lesoka be kosa ny fahaiza-mampita.

Partager sur: