Nampahafantarina ny faran’ny herinandro, tany Saint Paul-La Réunion, ny fampirantiana saripika nomena ny anarana « Tissons des liens – Des portraits, des histoires, des rencontres! ». Hetsika tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Malagasy voalohany tany La Réunion. Ny taona 1663 no voalaza fa niditra tany an-toerana voalohany ny vehivavy malagasy. Mampisongadina ny sarin’ireo vehivavy malagasy sy renioney nalaina nandritra ny atrikasa momba ny fahatsapana ny hasin’ny tena ny fampirantiana novokarin’i Tsima mpaka sarin’ny fikambanana Tsiky sy Raharijaona Renaud, Malagasy mpaka sary sady mpanao gazety teo aloha monina any La Réunion, nanomboka ny taona 2025. Manoritra ny lalan’ireo vehivavy ireo sy ny rohy ara-tantara sy ara-kolontsain’ny Nosy roa tonta ireo saripika naranty.
Tany Mahajanga no nakana ny sary nandritra ny tetikasa “cœur de mère” tontosain’ny fikambanana Tsiky. Tanjon’ny tetikasa ny hamerina ny fahatokisan-tenan’ny vehivavy sy ny hasiny ankoatra ny maha reny azy. Tany La Réunion, nisy hetsika nitovy amin’izay nokarakarain’ny Masion de la mère et le femmes du CHOR nahafahan’ireo vehivavy nanana fijery hafa momba ny tenany. Niara-niasa i Tsimba sy Renaud naka ireo sary ireo.
Vonjy





