Rugby Top 12-Mada : Halefa mivantana amin’ny Startimes

Niverina ny fiaraha-miasan’ny Malagasy Rugby sy ny orinasa Startimes. Tanteraka izany noho ny fangatahan’ny mpan­kafy ity taranja ity sy ireo mpanaraka ny fandaharana ara-panatanjahantena ao amin’ny GasyStar vokarin’ny Startimes. Votoatin’ny fiaraha-miasa ny fampitan’ny Startimes amin’ny fahitalavitra ireo lalao ao anatin’ny fifaninanana Top 12, ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027. Miisa 12 ny ekipa mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, ahitana lalao miisa 96. Hisy lalao iray halefa mivantana isaky ny alahady, ary lalao roa hafa halefa amin’ny fotoana manaraka, izany hoe, tsy mivantana.
Nilaza ny filohan’ny Federasionin’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, fa dingana iray lehibe hampiroboroboana ny taranja rugby ity iarahana amin’ny Startimes ity. Ankoatra izany, misy koa ny tolotra manokana hiatrehan’ny mpanaraka ny Startimes ny fetin’ny krisimasy sy faran’ny taona. Manomboka ny 15 novambra hatramin’ny 15 janoary 2027. Hahazo ny tolotra « supérieur » ireo manjifa ny Basic sy Smart, raha manampy 10 000 Ar.

Njaka A.

Partager sur: