Hanainga ny alarobia ho avy izao, hihazo an’i Thaïlande, ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy «sénior», lehilahy, ahitana an’i Balôty, Tendry, Lova ary i Liva. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondiaux 2026», tanterahina ao amin’ny Kianja Khon Kaen, ny zoma 20 ka hatramin’ny talata 24 novambra ho avy izao, izy ireo. Mialoha ny handehanany hiatrika izany fihaonana an-tampony izany, noraisin’ny ligin’Analamanga teny amin’ny Kianja Ambohitsaina Ankatso ny ekipa. Notsofin-drano sy nomena tohana. Notolorana lelavola 1 tapitrisa Ar, miampy fanafody avy amin’ny IMRA. Nambaran’Andriantsiferana Ravaka, filohan’ny ligin’Analamanga, fa anjara biriky avy amin’izy ireo no natao. Misy mpilalao avy amin’Analamanga mantsy mandrafitra ny ekipam-pirenena, saingy notsipihiny fa efa anaran’i Madagasikara no entin’izy ireo, manomboka izao. Nirary soa ho an’ny ekipa ny tenany handrombaka ny amboara ka hitondra medaly volamena hody an-tanindrazana. Nanambara kosa i Hery, mpanazatra ny ekipa, fa efa vonona tanteraka izy efatra mirahalahy. Ao anatin’ny fametrahana ny taktika sisa ny ekipa ka ampiasaina ny hoe: «contre robot». Izany hoe: apetra-tanana ny kanetibe, ka jerena avokoa ny zavatra mety hitranga eny ambony kianja ao anatin’ny lalao iray. «Ny vahaolana amin’izany no tadiavina», hoy izy. Nohamafisiny fa tsy misy azo hamaivanina ny mpifanandrina fa resena avokoa izay mitranga eo.
Tompondaka





