CGARD: Ampiasaina ny teknolojia ho an’ny fambolena

Misy eto amintsika ny Foibe mahakasika ny jeo-in­formatika ho an’ny fambolena (CGARD*). Foibe natao ha­mantarana ny antontam-baovao siantifika samihafa mahakasika ny fambolena. Toy ny famantarana ny velaran-tany azo volena, ny loharanon-dra­no ary ny fotodrafitrasa, amin’ ny alalan’ny sary avy amin’ny zanabolana sy ny sarintany ara-jeôgrafika. Manampy amin’ny fandrindrana ny famokarana sy ahafahana mandray fanapahan-kevitra tandrify ny antontam-baovao sy ny antontan-kevitra azo.
Nitsidika ity foibe CGARD ity ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, ny herinandro lasa teo. Nojerena ny fomba hanatsarana sy ny hampiasana azy amin’ny fomba feno. Satria, maika ihany koa ny asa fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena amin’izao fivoaran’ny teknolojia niomerika izao.
Notsipihin’ny minisitra, fa ho hamafisina sy hatsaraina ny fomba fiasan’ny CGRAD, mba ho fitaovana stratejika, entina hampitomboana ny vokatra sy hampahomby ny fitantanana ny sehatry ny fambolena, hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara.

Njaka A.

*CGARD* : Center for Geo-infromatics Application in Rural Development

Partager sur: