Fampindramam-bola : Miantoka hatramin’ny 50%-n’ny sandany ny Fagace

Tafapetraka eto Madagasikara ny « Fonds africain de garantie et de coopération économique (Fagace) ». Rafitra fiantohana izay afaka miantoka hatramin’ny 50% ny sandan’ny fampindramam-bola, arakaraka ny fepetra takina. Kendrena ireo mpandraharaha amin’ny orinasa madinika sy salantsalany (PMI/PME), manana tetikasa.

Nohazavain’ny gover­noran’ny Banky foi­ben’i Ma­­dagasikara (BFM), Andrianarivelo Aivo Handriatiana, nandritra ny lanonana fametrahana ny Fagace tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy, omaly hariva, fa « tsy fampindramam-bola amin’ny ankapobeny fotsiny ny Fagace ». Misy hoy izy ny fiantohana ny fampindramam-bola ho an’ny firenena, ho antoka, ka tsy voatery mila ny « garantie souveraine » avy amin’ny fanjakana intsony ny mpindrana rehefa miasa ny Fagace. Anisan’ny vahaolana nivoitra nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny sehatra tsy miankina tamin’ny taona lasa ny fisian’ny vondrona iray miantoka ny fampindramam-bola ary mety hampiroborobo kokoa ny fa­ma­tsiam-bola eto Madagasi­kara. Fepetra takina voalohany, hoy ny governoran’ny BFM, ny « tsy maintsy hananan’ny mpindram-bola tetikasa, miditra amin’ny sehatra ara-dalàna, manaiky handoa hetra, manome toky tsy hanao risoriso amin’ny fandoavana hetra … ».

Mindram-bola, manangana orinasa
Anisan’ny sehatra azo tohanana ny fambolena, ny angovo maitso ary ireo tetikasa manampy amin’ny fampiroboroboana ny tsenan’ny renivola eto Madagasikara. Nanao antso ho an’ny tanora ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nandritra ny lanonana omaly fa « mitaky famoronana asa ny tanora. Maro koa ny tanora mitaky ny horaisina ho mpiasam-panjakana. Ny Fagace no vahaolana mi­vaingana ahafahan’ny tanora mindram-bola manangana orinasa », hoy izy.
Nankasitraka ny fisokafan’ny biraon’ny Fagace eto Madagasikara kosa ny filohany, Dr Ngueto Tiraïna Yambaye. Nambarany fa tsy mijanona amin’ny fanolorana sosokevitra fotsiny ny Fagace, fa mi­kendry ny hitondra va­haolana azo tsapain-tanana amin’ireo olana ara-bola se­drain’ny mpandraharaha.

Henintsoa

Partager sur: