Fitaterana : « Sahia mitoroka » hiadiana amin’ny kolikoly

Mitsangana ny vovonana iadiana amin’ny kolikoly, antsoina hoe, «Sahia Mitoroka», eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­taterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM). Vovonana marolafy ity napetraka ity, mba hananan’ny rehetra fahasahiana hiadiana amin’ity fomba ratsy manapotika ny toekarena sady manimba ny fiarahamonina hatry ny ela. Notsipihin’ny minisitra, Andrianavalona Herizo, omaly, fa tsy niantsoana rafitra na orinasa tsy miankina ny famolavolana ity vovonana ity, fa tena ezaka manokana nataon’ireo teknisiana ao amin’ny minisitera. Misy ny lamina ara-niomerika sy ara-infor­matika manoro ny dingana samihafa arahin’ny mpitoroka. Tsiahivina, fa tazonina ho tsiambaratelo ny anaran’ny mpitoroka.
Nampahatsiahiviny ihany koa, fa tsy mijanona ho kabary na teny filamatra fotsiny ny ady amin’ny kolikoly, fa tsy maintsy tanterahina amin’ny alalan’ny asa. Efa misy ny Politikam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (PILCC), mitaky ny ametrahana ny rafitra ahafahana manara-maso sy manadihady ny antontan-taratasy rehetra ahina ho misy kolikoly.
« Averiko ombieny ombieny, fa tsy ananana antra na fandeferana ny olona izay voasariangotra amin’ny kolikoly ary tsy maintsy mizaka ny vokatry ny zavatra nataony. Hanama­rinana izany ny nandefasanay any amin’ny Fitsarana ady heloka ireo olona voarohirohy rehetra amin’ny raharaha fiaramanidina Boeing 777 », hoy ihany ny minitsitra.

Njaka A.

Partager sur: