Fivorian’ny komity teknika sy ny FFKM : Hohafainganina ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokontany

Misoko mangina sy miandalana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FFKM fa hohafainganina ireo dingana samihafa ho amin’ny fikaonadoham-pirenena.

Nialohavan’ny fivoriana teny Mahazoarivo, niarahana amin’ny komity teknika ho an’ny fikaonandoha (CTCN), solontenan’ny governemanta sy ny avy amin’ny FFKM ny herinandro teo izao firosoana amin’ny fidinana ifotony izao. «Eo am-panomanana izany ireo mpandrindra ho amin’ny fakan-kevitra eny amin’ny fokontany. Hialo­havan’ny fanofanana ireo solontena eny ifotony miaraka amin’ny ekipan’ny fiangonana izany. Anisan’ny andraikitra miandry azy ireo ny fakan-kevitra dingana voalohany», hoy ny FFKM. Anisan’ireo ho hofanina amin’izany ireo solontena miisa telo avy eo anivon’ny fokontany. Anisan’ ny hahatongavana amin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sefo fokontany sy ireo komity eny ifotony.
Etsy andaniny, efa vita ny fanofanana ny «Trio», ahitana ireo mpanamora ny dinika sy ny mpitantsoratra ary ny miandraikitra ny fampitaovana tany amin’ireo distrika maherin’ny 50. «Hitohy any amin’ny fidinanay eny anivon’ny distrika hafa izany amin’ny herinandro ambony. Tsy ho indray mandeha ireo distrika rehetra saingy ezahina koa ny hanafainganana izany», hoy hatrany ny loharanom-baovao, eo anivon’ny FFKM.

Fandrindrana ny fakan-kevitra
Hitohy amin’ireo distrika hafa indray izany ny fanofanana ny «Trio», aorian’izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa anisan’ny nivoitra tamin’izao fivorian’ny CTCN sy ny avy amin’ny FFKM izao ny fandrindrana ireo asa samihafa ho amin’ny fakan-kevitra eny ifotony. Anisan’ny mpikambana eo anivon’ity komity ity ny avy amin’ny finoana hafa ivelan’ny FFKM toy ny silamo. Eo koa ny tanora, ny mpitana ny nentin-drazana, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary koa ireo manana fahasembanana. Manampy izany ny avy amin’ny varira sy ny solontena mpiaro ny zon’ny mpanjifa…

Synèse R.

Partager sur: