Lozam-pifamoivoizana teny Itaosy: Naiditra am-ponja ilay mpamily ny fiara

Niakatra fampanoavana omaly 16 novambra 2026 ny raharaha mahakasika ilay lo­zam-pifampivoizana namoizan’aina teny amin’ny fokontany Itaosy Cité, kaominina Ambo­hi­drapeto, ny atoandron’ny 9 novambra 2026 lasa teo. Taorian’ny fihainoan’ny mpitsara ireo olona voarohirohy tamin’izany, naiditra vonjimaika any am-ponja ilay mpamilin’ilay kamiao sy ny tomponandraikitr’ilay fiara noentiny. Raha ny fanazavana voaray, tsy eto an-toerana ny tompon’ilay fiara nahavanon-doza ka io tomponandraikitra voalohany eto an-tanindrazana io no notazomina. Ankoatra izay, naiditra ambalam-pamonjana ihany koa ilay kamiao nahavanon-doza satria nihaotra ny lanja tokony entiny ny fiara tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Nahatratra hatramin’ny 7,5 taonina ny lanjan’ny entana noentiny raha tokony ho 4 taonina ihany izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Etsy ankilany, lany daty ihany koa ny fitsirahana ara-teknikan’ny fiara ka antony nitazonana ambalan-tsazy izany. Amin’­ ny 4 desambra 2026 ho avy izao, ny fotoam-pitsarana ma­naraka, raha tsy misy ny fiovan’ny daty.
Tonga nanatrika ny fampiakarana ny raharaha teny amin’ny fitsarana Ambaraton­ga voalohany Anosy, omaly, ny ray aman-drenin’ireo zaza mianadahy niara-namoy ny ainy tamin’io lozam-pifamoivoizana io. Mbola tao anaty alahelo tanteraka izy ireo, fa tsy maintsy miezaka mitraka na dia teo aza ny zava-misy. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Mino

Partager sur: