Vehivavy iray tokony ho 40 taona mahery hita faty tao anaty gony, tetsy amin’ny fokontany Ambohibarikely, secteur I, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Hita tao anaty gony teo an-tokotan’ny tokantrano iray ny razana, tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena sy ny sefo fokontany vantany vao nahazo antso. Tsy nanao akanjo ny tapany ambanin’ny razana, rehefa nozahan’ny mpitandro filaminana. Ahina ho niharan’ny herisetra ara-nofo ihany koa ilay vehivavy. “Nahitana mangana ny tendany, izay notombanana ho nokendaina tamin’ny tady”, hoy ny sefo secteur I eny Ambohibarikely, Rakotoarimanana Jean Pierre. Nahitana ratra maro ihany koa ny vatany.
Voalaza fa nisy nanipy avy any ivelany ny razana ary tafiditra tao an-tokotanin’ny olona. Niroso tamin’ny fisavana ny trano teo amin’ny manodidina ny mpitandro filaminana tamin’io fotoana io. Nahitana ra niparitaka tao an-tranon’ny lehilahy iray teo akaikin’ny nahitana ny razana. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, efa notazomina sy miatrika fanadihadiana any biraon’ny mpitandro filaminana ity farany. Tonga naka sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH. Tombanana ho toy ny vehivavy manana olana ara-pahasembanana ilay hita tao anaty gony satria mondry ny ratsan-tongony, raha ny fanazavana voaray ihany.
Mino





