Hifarana amin’ny 2 desambra ho avy izao, ny fiofanana manokana miendrika fanazaran-tena ataon’ireo polisy mpiandraikitra vondrona mamita iraka saro-pady, ao amin’ny sekoly Ambony ho an’ny polisim-pirenena (ENSP) eny Mamory Ivato. Miatrika sedra maro ireo mpanaraka ity fiofanana ity, mandritra io fotoana voafetra io. Mifantoka amin’ny fanamafisana traikefa izy ireo. Voakasika amin’izany ny hakingana, fahasahiana manoloana eo am-panatanterahana ny asa ary indrindra ny herim-batana. Tanjona ny ahafahan’ireo polisy misitrika fiofanana ireo manatanteraka andraikitra manokana amin’ny fitantanana vondrona taktika rehefa mamita iraka saro-pady. Mpampiofana avokoa ireo nisitrika ny fiofanana tamin’ity ary afaka hizara ny traikefany ho an’ireo polisy mitovy aminy sy ireo sampan-draharaha samihafa izy ireo, aorian’izay. Tsy mionona fotsiny amin’ny andro, manaraka fiofanana amin’ny alina koa ireto polisy voakasika ireto. Tsiahivhina, nanomboka ny 10 desambra lasa teo ny fiofanana izay tanterahin’ireo polisy ireo.
Tsiferana R.





